<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>507</hymn_number>
<title>Ranomasi-mampahory FFPM507</title>
<lyrics>[V1]
 Ranomasi-mampahory
 No alehantsika izao ;
 Fa ny mino dia hitody,
 Koa maharitra izy izao ;
 // O ! andeha isika hody
 Mba ho ao
 an-tranon-dRay //

[V2]
 Jeso Tompo eo am-pita
 Ka miantso hoe: Avia !
 Izy koa no mampita
 Ka manao hoe: Matokia !
 // O ! andeha, ..sns. //

[V3]
 Maro efa tonga any
 Ka mifaly avokoa ;
 Mbola be ny fiantrany
 Misy ho antsika koa.
 // O ! andeha, ..sns. //

[V4]
 Kristy koa no sambon'aina
 Izay mitondra ho arý.
 Famonjena azo maina,
 Ka ilaozy re ity.
 // O ! andeha, ..sns. //</lyrics>
</song>